Sport

Firafitry ny Barea amin’ny alahady Tsy maintsy miova


  • Alarobia 03 Jolay 2019

Tsy maintsy hiova ny firafitry ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barea raha hiatrika ny ampahavalon-dalan’ny fiadiana izay ho tompondakan’i Afrika atao atsy Ejipta ny alahady izao.

 

Tsy mahazo milalao mandritry ny fihaonana miisa 2 ny irakiraka afovoany, Marco Ilaimaharitra, satria in-droa nahazo karatra mavo. Ilay vodilaharana, Bapasy na Pascal Razak, koa mbola maratra ary tombanana ho afaka 10 andro taorian’iny fotoana nahavoa azy iny vao tena hiverina amin’ny fahasalamany indray. Ny dikan’izay dia tsy maintsy miova ireo 11 mirahalahy mijoro voalohany eny ambony kianja. Raha ny vaovao farany, mieritreritra ny handahatra avy hatrany an’ilay irakiraka, Rayan Raveloson sy ilay vodilaharana, Mamy Gervais, hanolo azy mirahalahy ireo ny mpanazatra, Nicolas Dupuis.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT