Sport

Fiofanana Taekwondo Wtf Mpikatroka 101 notolorana sertifika


  • Sabotsy 11 Aogositra 2018

Nifarana omaly tetsy amin’ny “petit palais” tetsy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina ny fiofanana Taekwondo Wtf niaraka

 

tamin’i Me Randriamiandrisoa Nicolas 5 e dan mipetraka any ampitan-dranomasina fa tonga nandalo teto an-tanindrazana nandritra ny 2 herinandro ary handao an’i Madagasikara amin’ny alatsinainy 13 aogositra izao. Tamin’ireo mpiangaly an’ity taranja ity nahatratra 120 dia nahatratra 101 ireo notolorana sertificat : nanaraka fiofanana 68, mpitsara 21, fiakarana grady : 12. Nahavelom-bolo ary tena nahafaly  ahy ny fahitana ny fahavitrihana sy fahakingan’ireo ankizy Malagasy miangaly an’ity taranja ity, hoy i Me Nicolas, izay hisaoraka etoana avokoa ka antenaiko fa hitondra fanovana be eo amin’ny fiangaliana an’ity taranja ity ny traikefa nampitaiko nandritra izay hateloana izay 8,9,10 aogositra 2018 ary mampanantenako koa ny tenako fa mbola hanome misimisy kokoa amin’ny fiverenako manaraka. Tafita ny hafatra raha ny fahitako azy, hoy izy. Tafiditra ao anatin’ny fanaovana “mise à jour” ny teknika fanao amin’ity taranja ity isan-taona ity fiofanana niarahana tamin’i Me Nicolas ity, hoy ny filohan’ny federasiona Malagasin’ny Taekwondo, Rokotobe Rivo, ka tena isaorana azy nahafoy tena tonga taty amintsika. Mbola hisy ny “recyclage” hatao mikasika an’iny fiofanana iny mialohan’ny hanatrehana ny hetsika Taekwondo Wtf manaraka dia ny “Open Club STA” hotanterahina amin’ny 1 sy 2 septambra ho avy izao.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT