Sport

Filohan’ny Malagasy Rugby Ligy 9 amin’ny 13 no mangataka ny fialany


  • Zoma 01 Jona 2018

Nambaran’ny filohan’ny ligin’ny rugby eto Analamanga, Ravelojaona Andry La Pie, omaly tetsy amin’ny Malacam Antanimena fa ligim-paritr’ity taranja ity miisa 9 amin’ireo 13 misy no mangataka ny fialan’ny filohan’ny Malagasy Rugby,

Rakotomalala Marcel, amin’ny toerany araka ny taratasy nalefan’izy ireo efa tamin’ny 24 febroary 2018 tany amin’ny minisitry ny fanatanjahantena, Andriamosarisoa Jean Anicet sy tany amin’ny filohan’ny COM, Siteny Andrianasoloniaiko ary tany amin’ny filohan’ny sport fédérale, Rosa Rakotozafy. Ny antony hoy izy dia tsy misy firaharahiana anay ligim-paritry ny rugby manerana ny nosy ataon’ny federasiona tarihan’ity filoha ity fa tsy nisy nahazo ny fanampiana tokony homena anay ligy hoenti-mampandroso ny tontolo izahay, eo koa ny fampanantenana poakaty nataony hanomezana fitaovana maro samihafa toy ny baolina sns… ny tsy nanatanterahan’ny federasiona fifaninanam-pirenena tamin’ny 2016 sy 2017 ary tamin’ity 2018 ity aza dia nisy ligim-paritra 5 tsy nantsoiny handray anjara tamin’ny Championnat tandrametaka nataony, farany tsy nisy ny tatitra ara-moraly sy ara-teknika ary ara-bola nataon’ny FMR hatramin’izay taona nitantanany izay. Nanao sonia ny fangataham-pialany ireto filohan’ny ligim-paritra manaraka ireto : Fiankinana Anthonny Christopher (Diana), Rakotozafy Armand Gervais (Amoron’i Mania), Rakotoarison Jhonson Joachim (Matsiatra Ambony), Ravaolahy Patrice (Ihorombe), Rakotomalala Miantatsoa Frédéric (Vakinankaratra), Ravelojaona Andry (Analamanga), Ramanantsoa Eric (Atsinanana), Kapity Eric (Itasy) ary Dimbiarisoa José (Bongolava).

 

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT