Sport

Filohan’ny ligin’ny baolina kitran’Analanjirofo Mbola ho kandida Atoa Ramaroson Jacques


  • Talata 21 Novambra 2017

Araka ny nambaran’ny eo anivon’ny CEN na « Comité Electoral National » Analanjirofo dia amin’ny alakamisy faha-23 novambra izao no hamohan-dry

zareo ny lisitr’ireo kandidà ofisialy amin’ny fifidianana izay ho filoha vaovao hitantana ny ligin’ny baolina kitran’ny Faritra Analanjirofo. Fantatra kosa anefa fa miisa 4 ireo efa nanatitra ny anton-taratasy filatsahan-ko fidiany avy ho amin’izany toerana izany ka anisan’ireo ny filoha am-perinasan’ity ligin’ny baolina kitran’Analanjirofo ity sady filohan’ny fikambanan’ireo ligin’ny baolina kitra 22 misy eto Madagasikara, Atoa Ramaroson Jacques. Nanambara ity farany fa raha izy no ho lany eo dia ho tohizana ny ezaka efa natomboka ka hohatsaraina izay rehetra vita hatramin’izay eo amin’ny fampandrosoana ny baolina kitra any Analanjirofo. Raha ny nambaran’ny komity mpikarakara ny fifidianana eo anivon’ny FMF  tamin’ny sabotsy 14 oktobra 2017 teo tetsy ami’ny Motel Anosy Antananarivo dia ho vitaina eo anelanelan’ny 9 sy ny 23 desambra 2017 ny fifidianana filohana ligin’ny baolina kitra manerana ny nosy.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT