Sport

Filohan’ny FMF vaovao Malalaka tsara amin’ny fitantanana


  • Talata 27 Aogositra 2019

Malalaka tsara amin'ny fitantanana ny FMF ny filoha vaovaon’ity federasionina malagasin’ny baolina kitra ity, Arizaka Raoul Rabekoto Romain, raha ny fahitan’ny mpitia baolina kitra ny andraikitra arak’asa sy politika sahaniny no jerena.

 

 

Tsy mitazona andraiki-panjakana ambony intsony izy, tsy mpikambana amin'ny antoko politika ary tsy olom-boafidy ihany koa. Inoana fa hanam-potoana tsara amin'ny fikarakarana ny kitra Malagasy, indrindra amin'ny fanatanterahana ny fampanantenana nataony hitantana ny federasiona. Mavesatra na izany aza ny asa miandry azy eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena satria higadona sahady ity ny septambra hanomanana sy hiatrehana ireo lalao iraisam-pirenena goavana sy salantsalany toy ny tompondaka eran-tany, ny CAN, ny CHAN, ny COSAFA ka hatramin'ny lalaon’ny nosy afaka efatra taona, raha tsy hiresaka ankoatra ny ekipam-pirenena. Eo koa ireo fifaninanana iraisam-pirena andraisana klioba anjara toy ny amboaran’ireo ekipa tompondaka sy ny amboaran’ny CAF. Ny fanatsarana tokony hatao eto an-toerana toy ny kianja, ny fifaninanam-pirenena, ny famokarana mpandimby, ny fanomezana traikefa ireo mpitsara sy ny hafa rehetra.

 

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT