Sport

Filohan’ny Fitea.m vaovao Vonona hifampidinika amin’ny hampandrosoana an’Androy


  • Talata 20 Aogositra 2019

Atoa Jacques Bruno Fils Goulamaly no filoha vaovao hitantana indray ny fikambanana Fitea.m “Fikambanan’ny terak’Androy eto Madagasikara” mandritra ny fe-potoana manaraka.

 

 

 

Vita tetsy amin’ny efitrano malalaky ny “Plan” etsy Anosy  tamin’ny sabotsy  17 aogositra 2019 teo ny famindram-pahefana teo aminy sy ny filoha nodimbiasany, ny loholona  Rehosevo.  Teniny voalohany taorian’io famindram-pahefana io ny amin’ny fahatokisany ny fitondram-panjakana ankehitriny amin’ny hanatanterahana an’ireo programa 22 izay novolavolain’ireo manampahaizan ao Androy entina hampandrosoana  ny Faritra misy azy ireo. Hilana fifanomezan-tanana sy ny firaisankinan’ny Antandroy rehetra anefa ny fanatanterahana ny fampandrosoana an’Androy, hoy izy ary efa misy mihitsy ny fanatanterahana asa ankehitriny. Mila vahana ao anatin’ny fotoana fohy kosa ary tokony hatao laharam-pahamehana mihitsy, hoy ihany Atoa Jacques Bruno Fils Goulamaly, ny  kere sy ny haintany fa efa tena mampikaikaika ny mponina tanteraka. Farany dia nambaran’ity filoha vaovaon’ny Fitea.m ity fa misokatra hatrany ny varavaran’izy ireo amin’ny  resaka fifampidinihana entina hampandrososana ny Faritra Androy.

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT