Sport

Filohan’ny FIFA Niarahaba manokana ny CNaPS Sport


  • Alatsinainy 20 Novambra 2017

Noho ny fahazoan’ny ekipan’ny CNaPS Sport Madagasikara fanin-diminy nisesy ny anaram-boninahitra Tompondakan’i Madagasikara eo amin’ny taranja baolina kitra ary fanineniny hatramin’izay niforonany dia nandefa taratasy fiarahabana an’ity klioba ity avy eny Zurich any Suisse ka nalefany nivantana tany amin’ny filohan’ny FMF am-perinasa,

 

 Andriamiasasoa Doda teny Isoraka, ny filohan’ny FIFA, Gianni Infantino, ny faha-14 novambra 2017 teo. “Hisaorako avokoa ireo  rehetra nahatonga izao fandresena izao, hoy izy : ny mpilalao rehetra, ny mpanazatra, ny dokotera sy ny “encadrement technique” ary ireo mpanohana ny ekipa (supporters). Amin’ny anaran’ny fianakaviamben’ny baolina kitra rehetra dia hisaorana manokana ny ekipan’ny CNaPS Sport sy ny FMF nanampy anay nivohy ny “message positive” ny baolina kitra. Mihaino anareo lalandava ny FIFA, hoy ihany ity filohany ity, ary manantena ny hifanatri-tava aminareo tsy ho ela”.

 

Ntsoavina Evariste

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT