Sport

Filohan’ny FIFA eto Madagasikara “Zava-dehibe ny baolina kitra any an-tsekoly”


  • Talata 26 Novambra 2019

Eto amintsika hatramin’ny alahady 24 novambra alina teo ny filohan’ny FIFA, Atoa Gianni Infantino, hotronin’ny delegasiona miisa 10 miaraka aminy ka anisan’izany ny Sekretera jeneraliny,

 

 

 Rtoa Fatima Samoura, ny filohan’ny CAF, Atoa Ahmad sy ilay kalazan’ny kitra Kameroney, Samuel Eto sy hafa ihany koa. Nizotra tsara, araka ny nanomanan’ny FMF azy, ny ampahana fandaharam-potoana natrehany omaly ka anisan’izany ny fihaonany tamin’ny filohan’ny Repoblika teny amin’ny Lapan’Iavoloha sy ny fihaonana tamin’ny mpikambana FMF teny Isoraka ary ny firesahana fohy tamin’ny mpanao gazety Malagasy teny amin’io toerana io ihany. Omaly ihany izy dia nihazo an’i Mahajanga hanatrika ny fivorian’ny “Commission Association Membre” ao amin’ny FIFA hotanterahana any an-toerana anio talata 26 novambra. Nisongadina tamin’ny nambarany tamin’ny besinimaro omaly ny hifantohana ao am-pony ny resaka baolina kitra any an-tsekoly ka hampiharina eto Madagasikara io tetikasa io izay hahakasika ankizy 5-15 taona ka hiaraha-miasa amin’ny FMF sy ireo minisitera voakasika . Hisy ny fanampiana ara-pitaovana ho azon’ny zaza Malagasy amin’izany ka ao anatiny ny baolina filalaovana  .. .  Ny fampianarana fiainana anefa no tena votoatin’ilay tetikasa . Marihana fa ankizy mahatratra 700.000 isa maneran-tany no ho voakasik’ity tetikasa ity ary lelavola 100 tapitrisa dolara no hoenti-manana azy.

Ntsoavina Evariste

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT