Filohan’ny federasionin’ny ady totohondry

«Misy mamahan-dalitra ny minisitra ao»


  • Zoma 29 Novambra 2024

Nisy omaly ny fanazavana nomen’ny teo anivon’ny komity olaimpika momba ny fanatanjahantena mikasika

ny zava-misy momba izay fanatanjahantena izay eto Madagasikara. Noresahana manokana tao anatin’izany ny mikasika ny fifidianana izay hitantanana indray ny taranja ady totohondry mandritry ny 4 taona. Nilaza moa ity komity ity fa ara-dalàna ny fifidianana izay vita ka nahalany ho indray ny kandida Hery Mamy Rabarisoa ho mbola filoha hitantana izany federasionin’ny ady totohondry izany mandritry ny 4 taona. Mazava be izay, hoy ity filoha voafidy indray ity, nanisy setriny avy hatrany ny fanambaran’ny komity olaimpika. Tsy miady amin’ny minisiteran’ny fanatanjahantena akory, hoy izy, ny komity olaimpika. Fa ny ataon’ny minisitera no tsy mety. Milaza, ohatra, ny minisitry ny fanatanjahantena fa handray tsirairay ny federasionina rehetra, malalaka ny varavarana. Hatramin’izao nefa mbola misy federasionina tsy voaray. Isan’ny federasionin’ny ady totohondry. Nolazaina koa fa misy ny famatsiana na «subvention» ho an’ny federasionina isanisany nefa tsy misy izany hatramin’izao na ny Ariary aza. Mianto-tena daholo ireo federasionina ireo hatramin’ireny atleta nankany ivelany ireny. Mazava ny tenin’ny komity olaimpika, raha ny mikasika ny ady totohondry manokana, hoe tsy misy izany lalàna izany hoe 97-014 milaza hoe tsy maintsy ampahafantarina 15 andro mialoha ny minisitera fa rehefa nasaina ny minisitera dia hanatrika izy izay fa tsy mahazo mandray fanapahan-kevitra akory! Manao ny tatitra na PV izy avy eo. Tsy tonga moa ireo, hoy ny komity olaimpika. Efa vita ny fifidianana. Tsy afaka manao na inona na inona izy fa ny iraisampirenena aza efa nankato. Tsy misy izany fe-potoana olaimpika na «mandat olympique» izany. Taloha aza nisy hoe federasionin’ny ady totohondry olaimpika fa nofoanana. Toko telo mamasa-nahandro ny minisitera, ny komity olaimpika ary ny federasionina ka tsy tokony hiady. Misy mamahan-dalitra ny minisitra ao amin’ny tekinisianin’ny serasera ao. Ohatra nomen’ny komity olaimpika moa ny tranga tamin’ny filankevitry ny minisitra ny 27 novambra teo. Izay vao nivoaka tao hoe nahazo fanampiana ny «haltérophilie» na fibatàna fonjamby handray anjara amin’ny tompondaka eran-tany. Efa tamin’ny 1 volana tany nefa no vita ny tompondaka eran-tany. Izao izany ve vao mivoaka ny vola dia inona no dikany? Izao vao mahalala ny praiminisitra sy filoham-pirenena dia taratasy avy aiza nefa? Avy amin’ny minisiteran’ny tanora sy fanatanjahantena. Omena vola ahoana indray izany ilay federasionina nefa ny ao amin’ny minisitera aza milaza fa tsy manao famerenam-bola? Izay no ilazànay amin’ny minisitra hoe andao isika hanao lohabary an-dasy hifampiresahana ny tsy mampandeha ny fanatanjahantena eto Madagasikara. Laharam-pahamehana ho an’ny federasionin’ny ady totohondry izao aloha ny fanokafana RIB na kaonty any amin’ny banky, ny resaka antotan’isa, ny NIF. Ireo tsinona no hahazoana famatsiana avy amin’ny minisitera sy ny sehatra iraisampirenena, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

  • Barean'i Madagasikara
  • Alarobia 04 Martsa 2026

Hiatrika lalao ara-piralahiana miisa 2, raha kely

Hijery ny tohiny
FTT