Sport

Filohan’ny federasionin’ny ady totohondry Miantso ny minisitera mba hijery ity taranja ity


  • Alakamisy 26 Janoary 2023

Vola am-paosin’ny filohan’ny federasionina foana no mivoaka, hoy ny filohan’ny federasionina malagasin’ny taranja ady totohondry, Herimamy Rabarisoa,

rehefa fampivondronana mpilalao. Ny komity olympika mba manao ihany, hoy izy, rehefa anaty fifaninanana na “championnat”. Ny tompondaka nasionaly aza mbola avy aty ny 80%. Tena avy amin’ny karamako amin’ny asa ataoko mihitsy. Tsy maintsy manao “championnat national” nefa ianao amin’ny maha federasionina anao. Efa nofoanana ny kaontin’ny federasionina satria tena nandalo tsy fahampiana be izahay fa lasa akan’ny banky “agios” na ofana kaonty fotsiny. Mbola hananan’ny banky 40.000 Ariary aza ny federasionina izao. Izay no mahatonga ahy hiteny hoe mba mihetseha ianareo ligy isam-paritra fa aza manantena famatsiana avy amin’ny federasionina satria ny federasionina aza tsy mahazo famatsiana avy amin’ny fanjakana. Mbola tsy manana federasionina iraisampirenena koa moa izao ny ady totohondry fa ny CIO no mitantana azy. Izay no mbola tsy ahafahanay manao fifidianana io satria mila manao tatitra any rehefa manao fifidianana. Ny federasionina iraisampirenena no mankato an’iny vao lany ianao. Rosianina ny filohan’ny federasionina iraisampirenena dia iarahantsika mahalala anefa ny adin’I Rosia sy Okrainina. Fampandehanan-draharaha izany aloha no ataoko. Izay no hiangaviako ny minisitera hoe mba jereo re ilay ady totohondry! Hatramin’ny nandraisako ny fitantanana ny taona 2018 hatramin’izao 2023 izao dia tsy mbola nahazo famatsiam-bola avy amin’ny minisitera ny tenako. Mba manantena ny komity olympika sy ny minisitera izahay handray anjara amin’ny fanomanana ny lalao afrikanina sy ny lalao olympika, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT