Sport

Filohan’ny FIFA, Gianni Infantino Manohana fatratra an’i Ahmad


  • Sabotsy 04 Martsa 2017

Kandida tokana mifaninana amin’i Issa Hayatou, filoha am-perinasa, izay efa nitantana ny CAF (Kaonfederasionina Afrikanina momba ny baolina kitra) nandritra ny 28 taona, ary mikendry ny hitantana ity rafitra ambonin’ny baolina kitra ity amin’ny mandà faha-8 indray ny Filohan’ny federasionina malagasin’ny baolina kitra Ahmad Augustin.

 Efa avy nanao fampielezan-kevitra tany Harare Zimbabwe niaraka tamin’ireo filohana federasionin’ny baolina kitra any amin’ny faritra Afrika Aostraly iny izy ary nihazo an’i Nigéria avy eo. Manohana azy fatratra ary niara-dia taminy kosa ny filohan’ny Federasionin’ny baolina kitra maneran-tany (FIFA) Gianni Infantino sy ny Sekretera jeneraly, Fatma Samoura, izay tsy vahiny amin’ny Malagasy. Tombony lehibe ho an’i Ahmad ny fanohanan’ireo oloben’ny FIFA ireo azy. Mbola ady goavana anefa izany, fa ny latsa-bato amin’ny 17 martsa izao no hahitana ny vokatra. Anisan’ny manaporofo ny hamafin’ny fifaninanana ny fifidianana izay ho mpikamban’ny filankevitry ny FIFA natao tany Egypta ny herinandro lasa teo ka tany amin’ny laharana faha-3 no nisy an’i Ahmad na dia akaiky ny filoha sy ny sekretera jeneralin’ny FIFA aza.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT