Sport

Filohan’ny CAF Hotanterahina anio ny fifidianana


  • Alakamisy 16 Martsa 2017

Hotanterahina anio alakamisy 16 martsa any Addis Abeba Ethiopie ny fifidianana izay ho filohan'ny Kaonfederasionina Afrikanina momba ny baolina kitra (CAF),

 izay hifanandrinan'i Ahmad Augustin, filohan'ny federasionina Malagasy sy ny filoha am-perinasa Issa Hayatou, teratany Kamerounais, izay efa nitantana ity rafitra faratampon’ny baolina kitra aty Afrika ity nanomboka ny taona 1988. Filohana federasionin’ny baolina kitra miisa 54 no handray anjara amin’ny fifidianana. Ho hita eo izay ho vokatry ny latsabato. Efa samy niezaka nandresy lahatra ny mpifidy ny roa tonta. Na milaza aza eo anivon’ny federasionina iraisam-pirenena (FIFA), tarihin’i Gianni Infantino, fa tsy miandany, dia hita ho manana tombondahiny ihany i Ahmad, izay akaiky kokoa azy sy ny sekretera jeneralin’ny FIFA Fatma Samoura, izay efa niasa teto Madagasikara, raha ny fijerin’ny mpanara-baovao azy. Tsy hahafaha-manombana ny vokatra anefa izany. Toe-javatra maro ihany koa no nitranga nialoha ny hanatanterahana ny fifidianana satria raha nilaza ny fanohanany an’i Ahmad, ohatra, ny filohan’ny federasionina Nizerianina Amaju Pinnick tany am-piandohana, dia nandefasan’ny governemanta any an-toerana taratasy manery azy hanohana an’i Issa Hayatou. Ny irariana dia ny hahazoan’i Ahmad ny fandresena. Fahasahiana ihany mantsy ny mifanandrina amina olona efa nanana fototra sy nitantana nandritra ny 28 taona mahery. Miara-dalana amin’i Ahmad any Addis Abeba amin’izao fotoana izao ny mpikambana 3 ao anatin’ny FMF, ahitana an’Andriamiasasoa Doda, Rakotomalala Stanislas ary Nathalie Rabe.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT