Sport

Fikaonandoham-pirenena ho an'ny Baolina Kitra Malagasy Nanomboka omaly ny fakan-kevitra isam-paritra


  • Talata 21 Janoary 2020

Ho fanaomanana ny Fikaoanandoham-pirenena ho an’ny Baolina Kitra Malagasy izay ho tanterahina eny amin’ny Mining Business Center eny Ivato amin’ny faha-28 sy faha-29 janoary 2020 izao izay ho tarihan’ny FMF

 

“Federasiona Malagasin’ny Baolina Kitra” izay hitondrana ny lohahevitra : “Antsika Rehetra ny Baolina Kitra Malagasy” ka hametrahana amin’ny rehetra ny fanontaniana :  Inona no fanatsarana tianao atao @fifaninanana Baolina Kitra Malagasy karakarain'ny LIGY misy anao ?

dia nanomboka omaly ny fakan-kevitra ifotony isam-paritra havondrona amin’io fotoana io ka ny ligin’i Toamasina no nanomboka izany omaly alatsinainy faha-20 janoary 2020 ary ho tohizan’ny faritany hafa mandritra ity fihaon-dohan’ny herinandro ity. Anisan’ny hanatanteraka ny azy anio talata, ao amin’ny Lapan’ny Faritan’Atsimo Andrefana toerana iasan’ny Governora ankehitriny. Hitarika an’izany, araka ny fantatra, ny mpikambana CE ao  amin’ny FMF. Nantsoina hanatrika an’ity fihaonana ity kosa araka ny nambaran’ny filohan’ny ligin’ny baolina kitra any Atsimo Andrefana, Atoa Randrianantenaina Regis, ireo filohana klioba rehetra ao amin’ity faritany ity, ireo filohana seksiona rehetra ihany koa, ireo filoha ligin’ny baolina kitra any amin’iny faritra iny ary koa ireo mpandraraha ara-toekarena any an-toerana. Ny hevitry ny tsirairay tsy an-kanavaka no  ho raisina ho fanatsarana ny baolina kitra Malagasy araka ny heviny fa “Antsika rehetra ny Baolina Kitra Malagasy ary Antsika rehetra ny BAREA araka ny tenin’ny filohan’ny FMF, Arezaka Raoul Rabekoto.

Ntsoavina Evariste

 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT