Sport

Fikambanan’ny tanora mpanao rugby Hanao fihetsehana hanesorana ny filohan’ny FMR


  • Alatsinainy 06 Aogositra 2018

Taorian’ny fanatanterahana ny hetsika lalao rugby “Coupe de l’independance 2018” D-1 nifanandrinan’ny Savage Rose Antohomadinika sy Kma Antetezana Afovoany (8-8) ka

 

nandrombahan’ity farany ny omby mifahy natolotra tamin’izany noho ny nahazoany “essai” voalohany sy ireo lalao famaranana roa “Face à Face” D-1 mbola niadiana omby mifahy avokoa ihany koa, avy amin’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena Malagasy, izay lasan’ny Ftam nandavo ny Rosa Club 15-14 sy ny Cnaps Rugby  nandresy 28 – 00 ny Matadore A tamin’ny Forfait, no nanambaran’ny filohan’ny FTMRAT “Fikambanan’ny Tanora Mpanao Rugby Ambany Tanàna”, i Nainabe “Rakotondrasoa Jean Heriniaina fa hanatanteraka fivoriana manokana eny amin’ny ANS Ampefiloha izy ireo rahampitso talata 07 aogositra tokakandro ka hitondra sora-baventy ho eny amin’ny ministera mpiahin’ny spaoro hanehoana ny fanesorana ny filohan’ny FMR “Malagasy Rugby”, Rakotomalala Marcel, noho izy manimba ny tontolon’ity lavalava ity amin’ny ankapobeny. Nomeny hanatanterahana foara ny eny amin’ny kianja Makis, hoy ity filohan’ny Ftmrat ity, kanefa rahonany izahay rehefa nifanaraka ny hampiasa ny kianjan’i Mahamasina tamin’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana.

 

Ntsoavina Evariste                                                 

 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT