Sport

Fikambanana Zama Alaotra Andriamasimanana Aureline no voafidy ho Reny mpiahy


  • Talata 02 Aprily 2019

Tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo no nifampiarahaba nahatratra ny taona vaovao teny amin’ny "Cercle Mess Mixte Fort Duchèsne" ireo mpikambana ao amin'ny ZAMA (Zanak'i Manakambahiny Andrefana) avy any amin'ny faritra Alaotra.

 

 

 

 Ankoatra ny korana sy fiaraha-nisakafo mahazatra ary mba ahafahana mampandroso marina ny tany niaviana sy ho fitsinjovana ara-tsosialy an’ireo mpila ravinahitra eto Antananarivo dia nohavaozina ny birao mpitantana ny fikambanana. Nampidirina ho mpitantana amin'io birao vaovao io avokoa ny taranak'ireo raiamandreny tsy ankanavaka any an-tanànan'i Manakambahiny Andrefana. Mbola ny filoha am-perinasa hatrany no mitantana  ny fikambanana. Nofidian'ireo mpikambana rehetra ho Reny mpiahy ny ZAMA kosa Rtoa Andriamasimanana Aureline solombavambahoaka teo aloha izay mbola hifaninana amin'ity fe-potoana manaraka (2019-2024) ity. Tsy nanda ny  adidy goavana napetraka aminy Rtoa  Aureline ary nanolotra avy hatrany lelavola roa tapitrisa ariary entina hampihodinana ny fikambanana. 

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT