Sport

FIKAMBANANA TERRES EN MELEES Nahazo ilay mari-pankasitrahana « le prix Beyond Sport Global Award »


  • Talata 25 Septambra 2018

Fikambanana iray miezaka mampiroborobo ny taranja Rugby ho an’ny vehivavy ny fikambanana « Terres en mêlées ».

 

  Any amin’ny Faritra Atsimon’ny Nosy no tena hiasany amin’ny ankapobeny hanampiany sy hanohanany tanora Malagasy manam-piniavana sy te-hivoatra amin’ny fiainana, indrindra fa ny lafiny ara-panatanjahantena. Notolorana ny mari-pankasitrahana « le prix Beyond Sport Global Award 2018 » izy ireo ny faran’ny herinandro teo tamin’ny alalan’ny fitondram-panjakana Malagasy   natrehin’ireo mpiantsehatra amin’ny resaka fanatanjahantena maneran-tany, hoy ny NBA, ny FIFA, ny CIO, ny Ligue Bas-ball….Nivoitra tamin’izany fa anisan’ny fikambanana mamondrona ankizy sy tanora maro ny terres en mêlées sady mijery akaiky ny miralenta ihany koa ho fampandraisana anjara ny lahy sy ny vavy. Anisan’ny mpanohana ilay hetsika andiany faharoa amin’ilay fifaninanana rugby eny an-tsekoly hotanterahina  amin’ity taona ity indray izy ireo,  iarahany amin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena. Zazalahy sy zazavavy miisa 8.000 no hahazo tombontsoa amin’izany, misandrahaka  manerana ny Nosy.

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT