Sport

Fikambanana TAMIA Nanampy ny AJSMH teny Tsarahonenana indray


  • Talata 22 Oktobra 2019

Tsy miova ny tarigetran’ny fikambanana TAMIA “TAnora MIAntsehatra” tarihako, hoy Randriamahefa Benjamina filohany teny Tsarahonenana tamin’ny sabotsy 19 oktobra 2019 teo, dia ny ady amin’ny fitiavantena sy ny fandraisana andraikitra tsy misy takalony.

 

 

 

Nanampy ny fikambanana AJSMH “Association des Jeunes Sportifs Miray Hina”, tarihan-dRakotondraibe Rija Tiana,  tamin’ny lalao famaranana “Foot à 7” nokarakarain’ity farany teny amin’ny kianja filalaovam-baolin’i Tsarahonenana tamin’ny sabotsy 19 oktobra 2019 teo mantsy izy ireo, mba ho fanomezana fialamboly an’ireo katitakely eny an-toerana tsy mba afaka miala sasatra any amoron-dranomasina, ka nanolotra amboara ondry sy fitaovam-pianarana samihafa ho an’ireo mpandray anjara ary koa tenin’Andriamanitra ho azy ireo. Nibata an’ireo ondry ary teo amin’ny U 10 ny Fca Andraisoro nandavo ny Best Club Tsarahonenana tamin’ny tirs au but 5-4. Teo amin’ny U 13 kosa dia ny Qatar nandavo ny Garage Baba Tsarahonenana tamin’ny tirs au but 3-1 ary teo amin’ny U 15 dia ny Dbkm nandresy ny Lovasoa la haute 1-0. 

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT