Sport

Fikambanana Mitambatra Hanatanteraka “Sport pour tous” eo ambany fiahian’ny minisitera


  • Alatsinainy 27 Aprily 2015

Ho laharam-pahamehana ny spaoro manomboka izao, hoy ny feo heno tetsy Andrefan’Ambohijanahary tamin’ny zoma teo. Ao anatin’ny tetikasa “Sport pour tous” izay hiahian’ny minisiteran’ny spaoro mivantana dia hanatanteraka fifaninanana isan-tsokajiny ireo fikambanana mivondrona ao anatin’ny

Fikambanana Mitambatra, araka ny nambaran-dry zareo tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny Mon Goûter tamin’io andro io. Lalao baolina kitra sy baskety ary rugby handraisan’ny firaisana 6 eto an-drenivohitra sy ny distrika 3 amin’ny manodidina, Avaradrano, Atsimondrano, Andrefan’Iarivo no handray anjara. Noho ny fifampiresahana matotra mbola niarahana tamin’ny tompon’andraikitra dia mbola holazaina manaraka eo ihany ny  fandaharam-potoana rehetra ho amin’izany rehetra izany. Izahay kosa anefa eto dia sahy milaza, hoy Atoa Rajaobelina avy amin’ny Fafisoa, fa vonona hifampiresaka sy hanome haja ireo rafitra misy rehetra eo amin’ny fitantanana spaoro (seksiona, ligy , federasiona) ary tsy  hanao rano dikain’ny zingan’ireo rafitra ireo mihitsy fa ny ministera no manao fifampiraharahana sy maka ny fahazoan-dalana any amin’izy ireo . Tsara ho fantatry ny rehetra anefa fa ny fileovana milalao no andriamanjaka fa rehefa tsy miakatra kianja ireo tsy misy na inona na inona azo atao.

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT