Sport

Fikambanana K2HB Baolina Kitra Tsy ara-dalàna avokoa ireo fifidianana efa vita


  • Alakamisy 26 Jolay 2018

Tsy ara-dalàna avokoa, hoy ny K2HB « Komity Hamerina ny Hasin’ny Baolina Kitra Malagasy” tarihan’Atoa Ramasy « Jean-Ignace Randrianirina » nivory tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo teto Antananarivo,

ny fifidianana rehetra natao teto amintsika ary tsy manankery avokoa satria ilay vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana teo aloha izay tsy nankatoavin’ny FIFA no nikarakara azy ireo. Manao antso avo amin’ny rehetra izy ireo, araka izany, ny hanemorana ny fifidianana rafitra baolina kitra Malagasy kasain-katao amin’ity taona 2018 ity mba hitondra tombontsoa ho an’ny firenena Malagasy ka hikatsahana vahaolana maharitra ho an’ny baolina kitra mba hiverenana amin’ny rafitra ara-dalàna dia ny « Cycle Olympique » amin’ny 2020. Hiangaviana ny Federasiona am-perinasa hanohy ny asany hatramin’io 2020 io mba hampandeha ny raharaha ankobanandro sy hanomana ny fanovana rehetra eo amin’ny fitantanana ny tontolon’ny baolina kitra Malagasy  hiarahan’ny Fanjakana (Minisiteran’ny fanatanjahantena) sy ny FMF ary ireo fikambanana maro misalahy ny hanatanterahana azy tsy hisy fanilikilihana sy fanavakavahana.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT