Sport

Fikambanana K2HB “Aza maika ny hanolo ny filohan’ny FMF …”


  • Alakamisy 01 Oktobra 2020

Samy te ahita an’i Madagasikara any amin’ny sehatra ambonimbony isika, hoy ry zareo avy eo anivon’ny fikambanana misehatra eo amin’ny baolina kitra, K2HB, raha Barea no resaka.

 

 

Efa niaraha-nahita ny zava-bita tamin’ny CAN fa izaho aza, hoy ny filohan’ity fikambanana ity, Jean Ignace Randrianirina na Ramasy, efa te hiresaka amboara eran-tany mihitsy. Misy noho izany, hoy izy, ny tokony ho hatsaraina ao anatin’izany. Io olana lalovana ankehitriny io dia efa nipetraka foana tany aloha tany. Ny fahalanian’ny filoha Raoul dia nanahirana ny sasany, hoy izy. Iarahantsika mahita ny fanenjehana azy amin’ny resaka halatra vola tao amin’ny CNaPS. Raharahany manokana iny fa raha izay no hamotehana ny baolina kitra eto dia malahelo izahay. Any ivelany ny filohan’ny FMF fa mbola izy no filohan’ny FMF ary izay aloha no fantatry ny FIFA ho ara-dalana, hoy ny fanazavany. Misy mpitondra miheritreritra ny hanolo azy anefa eto fa hoe misy “poste vacant” dia hoy aho hoe aza maika fa ataovy fotsiny ny anjara asan’ilay komity mpanatanteraka hampandeha ny baolina kitra. Aleo ho tapitra ny fe-potoam-piasan’ny filohan’ny FMF fa io maika hanolo io foana no namotika ity firenena ity teto, hoy hatrany izy. Aoka hiray fo ny mpitondra ny FMF sy CE sao diso fanantenana eo amin’ny vokatra. Aza potehina amin’io koa ny sarin’ny filoham-pirenena fa na tsy hilana ranondranony sy ho tenenina azy izy hanao ny anjarany foana. Lasa tafiditry ny politika loatra ilay izy, hoy hatrany ny K2HB.

J. Mirija

 Legende: Ny filohan’ny K2HB

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT