Sport

Fikambanana JSE Nankasitraka ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana


  • Zoma 05 Aprily 2019

Nanolotra amboara lehibe ho an’ny ben’ny tanànan’Antananarivo-Renivohitra (CUA), Lalao Ravalomanana, vokatry ny fanampian’ity farany ny lalao ara-panatanjahantena Foot à 11 nokarakarainy ny fikambanana JSE « Jeunes Sports Events »tamin’ny 25 -31 martsa lasa teo, izay notanterahana tetsy amin’ny kianjan’i Mahamasina.

 

 

 

Tonga tao amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely ny solontenan’izy ireo naneho fankasitrahana tamin’ny alalan’ny fanolorana an’io amboara lehibe  io. Ny filoha mpanorina ny JSE Andriamisa Vania sy ny lefiny Rakotondravony Tsitohaina ary Andriamihanta, izay samy tanora avokoa no nitondra ny fankasitrahana satria tsy tontosa io lalao ara-panatanjahantena Foot à 11 io raha tsy teo ny fanomezan-tanan’ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana. Marihana fa nisy ekipa 15 ireo nandray anjara nandritra ity fifanintsanana  andiany voalohany ity ary ankoatra izay dia mbola manana tanjona hanampy ny sahirana sy ny zaza kamboty koa ny JSE, fikambanana vao niforona ny 11 jona 2018 lasa teo.


Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT