Sport

Fikambanana Gasy 3MA-FM Nanomboka ny alahady teo ny « Tournoi de vacances »


  • Talata 17 Jolay 2018

Natomboka tamin’ny alahady 15 jolay 2018 teo tao amin’ny kianjan’i Mahazina Ambano any Antsirabe ny « Tournoi de vacances » andiany voalohany karakarain’ny fikambanana mpanao asa soa Gasy 3MA-FM tarihin’ny filoha nasionaliny, Randriarimalala Bien Aimé manana ny foibeny ao 67 ha Antananarivo.

 

 Ekipa miisa 23 avy amin’ny distrikan’Antsirabe I sy II no mandray anjara amin’ny fifaninanana izay haharitra 8 herinandro eo ho eo, araka ny fanamarihan’Atoa Lanja tompon’andraikitry ny hetsika. Lalao 3 no tontosa teo amin’ity andro voalohany nataon’ny alahady teo ity : Fc Top 6 – Fc Surprise (2-0) ;  Fc Miray – Fc Boay (2-1) ; Fc Fevea – Club Matanjaka. Marihina fa iray amin’ireo hetsika fikarakarana an’ireo mpikambana ao aminy ny fikarakarana fifaninanana fanatanjahantena ataon’ny Gasy 3MA-FM ankoatra ny fanamby 5 nataony ho tanjona dia fampisamboram-bola tsy misy zanany an’ireo mpikambana 1°, entina amoahana azy ireo ao anaty fahasahiranana tanteraka, mandry fotsy, ohatra. Faha-2, fanampiana an’ireo te hivoatra amin’ny fiainana nefa tsy misy havana na banky manampy. Faha-3, fanampiana an’ireo mpikambana manana olana ara-pahasalamana. Faha-4, fampiofanana maimaimpoana an’ireo tsy manan’asa sy fahaizana manokana (fianarana mofomamy, zaitra, tenim-pirenena anglisy sy frantsay). Faha-5, fanampiana an’ireo miasa tena tsy dia mazava loatra ny amin’ny hoaviny.

Am-perinasa tanteraka araka izany ity fikambanana ity any amin’ny faritr’Itasy, Bongolava, V7V, Alaotra Mangoro ary eto Analamanga sy any Vakinankaratra indrindra indrindra ka fanosoram-potaka sy tsaho aely avokoa ny filazana fa tsy dia mazava loatra ny hetsika ataon’ny Gasy 3MA-FM.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT