Sport

Fikambanana FM2TR Mino sy manantena fa hivoatra i Madagasikara sy ny Rugby


  • Sabotsy 12 Janoary 2019

Tao anatin’ny fivoriana voalohany nataon’izy ireo tetsy Andrefanambohijanahary omaly zoma 11 janoary no nanambaran’ny fikambanana FM2TR “Fikambanan’ny Mpanabe sy ny Tena Tia Rugby”

 

 

 

tarihan’ny filohany Randrianarisoa Rija, fa mino sy manantena ry zareo fa hiova sy hivoatra amin’izay ato  ho ato i Madagasikara amin’izao nahazoany filoham-pirenena vaovao izao ary  hivoatra hiaraka amin’izay koa ny tontolon’ny tarajam-panatanjahantena rugby Malagasy. Nohararaotin’ity fikambanana ity ny fihaonana omaly niarahabany ny  vahoaka Malagasy tsy an-kanavaka tratry ny taona vaovao 2019 sady nahazo filoham-pirenena vaovao ihany koa. Narahabain’izy ireo manokana ny filoham-pirenena Andry Nirina Rajoelina amin’izao nahalany azy izao ka hiandraiketany ny fanavotana an’i Madagasikara. Tsy nohadinoin’izy ireo koa ny nisaotra manokana ny mpifanandrina taminy tamin’ny fifidianana fihodinana faharoa dia Atoa Marc Ravalomanana  noho ny “fair play” nasehoany.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT