Sport

Fikambanana FM2TR Hitarika an’ireo klioba hiala amin’ny gaboraraka


  • Talata 05 Febroary 2019

Namory an’ireo fileovana mpanao rugby eto an-drenivohitra tetsy Andrefan’Ambohijanahary tamin’ny sabotsy 02 feboary teo ny fikambanana FMT2R “Fikambanan’ny Mpanabe sy ny Tena Tia Rugby” tarihan’ny filoha mpiara-mitantana,

 

 

Rakotonasolo Erest sy Randrianarisoa Rija, ka ankoatra ny fifampiarahabana nahatratra ny taona nifanaovana izay nofaranana tamin’ny fiarahana niala hetaheta kely dia fototry ny fampivoriana an’ireto fileovana ireto ny fampihavanana  ny mpanao rugby hanaraka ny rafitra ara-dalàna ka hiala amin’ny gaboraraka. Marihana fa tsy mandrava na manongana ny rafitra efa mijoro rehetra ny hetsika FMT2R amin’izany fa mampitambatra ny rehetra ao amin’ny tontolo iraisan’ny mpisehatra rugby Malagasy. Fantatra teny Andrefan’Ambohijanahary tamin’ny sabotsy fa hikarakara “tournoi” ho fampiraisana ny rehetra etsy amin’ny kianja Malacam tsy ho ela.

 

Ntsoavina Evariste

 

  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT