Sport

Fikambanana FFAM « Tokony hitondra firaisan-tsaina ny fanatanjahantena »


  • Alarobia 30 Oktobra 2019

Tontosa soamantsara ny lalao famaranana Rugby niadivana izay ho tompondakan’ny Kaominina Anosizato Andrefana izay nifanandrinan’ny ASM sy ny ASKA, ka ity farany no nibata ny amboara tamin’izany.

 

 

Hetsika izay nokarakarain’ny fikambanana mpanao asa soa F.F.A.M (Force féminine d’aide mutuelle)ho tohana ho an’ny fanatanjahantena hatrany. Tanjon’ny fikambanana ny hamerina indray ny fifankatiavan’ny mponina ao amin’ny kaominina Anosizato andrefana sy ny famerenana indray ny firaisankina amin’ny alalan’ny fanatanjahantena izay efa karakarainy matetika. Raha ny fanazavana nentin’ny filoha mpanorina ny fikambanana FFAM, Ramatoa Rasolofonoroniaina Julia Mickaëlle na i MISHAH dia nanamafy hatrany izy fa ilaina ny fampiofanana ny tanora amin’io taranja io mba ho tena lasa lavitra ny Malagasy. Tanjona ny tsy hijanonan’ireo mpanao fanatanjahantena eny ambony kianja fotsiny fa ny famadihana azy ireo ho lasa matihanina ary hitondra avo ny anaran’i Madagasikara hatrany ampitan-dranomasina.  Ho fampivoarana ny baolina lavalava eny Anosizato dia niresaka mivantana tamin’ny mpilalao tahaka ny mahazatra izy ka nihaino ireo hetaheta ary nanoro hevitra ny amin’ny tokony handraisan’ny mpilalao fampiofanana matetika.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT