Sport

Fikambanana FFAM sy ny baolina kitra Tafatsangana ny ekipa « Foot-ball Force Anosizato Miray »


  • Talata 28 Janoary 2020

Vina 3 no tandrovan’ny fikambanana FFAM (Force Feminine d’Aide Mutuelle) tahaka ny anakandriamaso eo amin’ny sehatra fanatanjahantena. Anisan’ny lehibe indrindra amin’izany ny fitaizana ny tanora mba ho olom-banona.

 

 

Eo ihany koa ny fanatanterahana ny asa rehetra araka izay tratra mba hanaraka ny fenitra miampy ny fampianarana ny tanora mba hitrandraka ny tsara indrindra amin’ny zavatra atao rehetra. Nandritry ny taona maro dia ankilabao ary tsy noraharahaina ny tontolon’ny fanatanjahantena, indrindra ny teny Anosizato teny. Amin’izao fotoana izao dia vonona ny fikambanana FFAM tarihin’ny filoha mpanorina Rasolofonoroniaina Julia Mickaëlle na i Mishah hitondra lavitra ny ekipan’ny baolina kitra vao narafitra “Foot-ball Force Anosizato Miray”. Ezaka hotazomina ny voninahitr' Anosizato ary ho reharehan'i Madagasikara mihitsy izany, hoy ny nambarany. Efa tafiditry ny fikambanana sahady ho anisan’ireo mpifaninana eo anivon’ny ligin’ny baolina kitra Analamanaga seksiona Atsimondrano mihitsy io klioba FFAM  io ka ny lalao fandraisany anjara voalohany dia ny 9 febroary 2020 ho avy izao. Ankoar’izay anefa dia tsy havela fotsiny amin’izao ireo mpilalao tsy voafantina fa hanafatra ny « directeur technique national » ny fikambanana FFAM hanao fampiofanana ireo mpitarika sy mpanazatra klioba rehetra izay nandray anjara. Tsiahivina fa ny alahady lasa teo ny lalao famaranana ny « tournoi express selection 2eme chance », izay nokarakarain’ny fikambanana namondronana ireo ekipa izay handrafitra ny ekipan’ny FFAM.

Tsirinasolo

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT