Sport

Fikambanana ASSCA Avaradrano Hikarakara tsipy kanetibe ihany koa


  • Sabotsy 08 Aogositra 2015

Ny fikambanana ASSCA na Amitié Sportive et Socio-Culturelle Avaradrano dia tsy mitrahatra mitaiza ny tanora tsy hirona any amin’ny zava-maha-domelina sy mamoafady ary ny fidonanam-poana koa amin’izao fotoana izao dia tsy ny baolina kitra ihany ny fifaninanana hokarakarain’dry zareo fa hiitatra amin’ny taranja hafa toy ny tsipy kanetibe izay hotontosaina ny sabotsy 12 septambra 2015 eny amin’ny kianja filalaovam-baolina eny Antanandrano ary hanasany ny tanora rehetra mpakafy ity taranja iray ity .

Raha ny mikasika ny baolina kitra lalaovin’ny olona 11 eo ambony kianja indray dia ny sabotsy 19 septambre 2015 no manomboka ny fifaninanana « COUPE DE NOEL 2015 » , misy ny fanantsarana natao satria raha ny sokajy 15 , 17 taona ary ny senior no nandray anjara tamin’ny fifaninanana farany dia hiampy ny sokajy veteran izany amin’ity andiany manaraka ity . Marihina moa fa isaky ny sabotsy no hanatanterahina ny fifaninanana baolina kitra eny amin’ny kianja Ankadikely ka ny sabotsy 15 aogositra 2015 no fizarana vondrona ao amin’ny CEG Ankadikely manomboka amin’ny 02 ora sy sasany . Noferana ho club 16 avy fara-faha-betsany no mandray anjara eo amin’ny sokajy senior sy veteran ka mizara ho vondrona efatra , noferana ho club valo avy kosa no mandray anjara eo amin’ny sokajy 15 sy 17 taona ka mizara ho vondrona roa.  

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

Hijery ny tohiny
FTT