Sport

Fikambanana Ahmadiyya eto Madagasikara Nahatontosa ny Convention annuelle 2018


  • Alakamisy 18 Oktobra 2018

Nahatanteraka ny fivoriana « Convention annuelle » fanao isan-taona tetsy amin’ny fokontanin’Anatihazo misy ny trano fivavahany « mosquée » eto Antananarivo ny Fikambanana Miziolimana

Ahmadiyya eto Madagasikara tarihan’ny misionera Mujeeb Ahamad. Mpizaika nahatratra 193 no nanatrika ny fivoriana ka nisy ny avy any Manakara sy Toliara ary Fianarantsoa. Tonga manokana nanotrona an’ity fotoana ity, izay nisy fiaraha-mivavaka natao sy fiaraha-misakafo ihany koa, ny filohan’ny fikambanana Ahmadiyya ao amin’ny nosy Maorisy sady filohan’ny Ahmadiyya aty amin’ny nosin’ny Oseana Indiana manontolo, Moussa Taujoo. Niompana tamin’ny fandinihana ny fiainam-pianakaviana ny dinika natao ka nofidiana manokana ny lohahevitra : zon’ny vehivavy mioziolimanina. Ny firenena tandrefana sasany mantsy dia  milaza, hoy ny fanazavana heno teny Anatihazo, fa ny fivavahana Silamo dia tsy manome ny zon’ireo vehivavy ao aminy. Raha ny marina anefa, hoy ihany ny fanazavana, ny fivavahana Silamo dia mampianatra ny rehetra  fa ny paradisa dia ambanin’ny tongotr’ireo reny ka amin’ny didy misy ao amin’ny Kor’any dia milaza mazava fa raha te hiditra ao amin’ny paradisa ireo zanaka dia tokony hankato ny renin’izy ireo.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT