Sport

Fijerena baolina anio Toerana maro hisy “Fan zone”


  • Alakamisy 12 Novambra 2020

Namoaka fampahafantarana ny Fiadidian’ny Repoblika omaly, fa hipetraka ny “Fan Zone” na toerana ahafahan’ny mpankafy manaraka ny lalaon’ny Barean’I Madagasikara mba ahafahan’ny mpiray tanindrazana rehetra manohana. Hisy foana io amin’ny fihaonana in-droa miantohana,

 

 

 dia anio 12 novambra sy ny 17 novambra izao. Hisy ny “écran” lehibe ahafahana manaraka izany eny an-dalam-be amina toerana maro eto Antananarivo sy any amin’ny faritra: Itaosy, Ambohidratrimo, Sabotsy Namehana, ary manerana ireo boriborintany 6 eto Antananarivo Renivohitra. Hisy ihany koa any amin’ny Faritra toa an’i Toamasina, Antsirabe, Fianarantsoa, Miarinarivo, Moramanga, ary Maevatanàna. Hisy ihany koa any amin’ny faritra rehetra manerana ny Nosy hanarahana izany lalao izany koa entanina ireo tompon’andraikitra ara-panjakana hanao ny lamina rehetra, handefa izany lalao izany in-droa miantoana izany amin’ny fotoana voatoondro, isaky ny faritra izay mety any amin’ny faritra tsirairay, hoy ny toromariky ny Fiadidian’ny Repoblika.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT