Nanao famelabelarana fohy sy namone toromarika ireo atleta sy mpanazatra isan-taranja manomana ny lalaon’ny nosy omaly tetsy amin’ny ANS Ampefiloha ireo mpitsabo telo mianadahy niofana manokana mikasika ny fanarahamaso ny fandraisana fanafody mampatanjaka, notarihin’ny Dr Zarasoa Josephine niaraka tamin’ny Dr Bianca sy Dr Aina.
Marihina fa nahavita fiofanana ary eo ambany fiahian’ny “Organisation regionale anti-dopage” (ORAD) sy ny “Agence Mondial Anti-dopage” (AMA) izy teo mianadahy ireo.
“Efa tokony fanao mahazatra ihany izao fanomezana toromaika izao fa ilaina ampahatsiahivina mba tsy hosolofaka ireo atleta hiatrika fifaninanana iraisam-pirenena ireo ka hinankinam-poana” araka ny fanamarihan’ny Dr Zara. Misy mantsy ny lisitr’ireo fanafody voarara mety raisin’ireo atleta rehefa mila fitsaboana raha tsy hilaza afatsy ireny fanafody kohaka sy fanafody mahatony ireny. Natoro ireo atleta ireo koa ny fihetsika sy fombafomba tsara ho fantartra rehefa atao fitiliana mialoha na mandritra na aorian’ny fifaninanana. Nampatsiahivina koa fa miteraka voka-dratsiny toy ny homamiadana, tosi-dra, fahatapahan’ny lalan-dra rehefa 40 taona no ho miakatra ny fandraisana fanafody mampatanjaka.
Rasanda Serge
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.