Sport

Fihetseham-po tamin’ny Barea Olona 6 namoy ny ainy…


  • Talata 09 Jolay 2019

amam-bahona tokoa ny fiainana satria nisy fiantraikany tsara sy toe-javatra somary nanamaloka azy ny fiatrehantsika ny fiadiana izay tompondakan’i Afrika eo amin’ny taranja baolina kitra na ny CAN 2019 tanterahina any Egipta.

 

 

 Nahomby hatrany ny ekipam-pirenentsika hatramin’izao ka hirariana ny hitohizan’izany. Miombom-po tanteraka amin’ireo mpilalao ny vahoaka Malagasy tsivakivolo na kely na lehibe. Tsy voatana sy tsy voafehy hatramin’ny fihetseham-po aza indraindray noho ny fientanana sy ny fitiavana, ka izay no anisan’ny nahatonga ny tovolahikely iray namoy ny ainy ny tamin’ireny fifanintsanana isam-bondrona natrehin’ny Barea ireny. Mbola nanamaloka izany teto an-tanindrazana ihany koa ny nisian’ny famoizana ain’olona noho ny fientanam-po diso tafahoatra, ka niteraka fijanonan’ny fitempon’ny fo, ka olona maromaro no tratran’izany, ary namoy ny ainy. Tranga miisa efatra no re teto an-drenivohitra. Namoy ny ainy noho ny fietanam-po ny depiote teo aloha Harijaona Randriarimalala. Nisehoana tranga mitovitovy amin’io ihany koa teny Ankazomanga, ka olona roa no voalaza fa namoy ny ainy. Teny Itaosy ihany koa dia nisy olona iray namoy ny ainy, raha ny vaovao azo. Nentanin-kafaliana tamin’ny baolina matin’i Ibrahim Amada, sady baolina voalohany maty nandritra ny fihaonan’ny Barea an’i Madagasikara sy ny Léopard RDC ihany koa ny sefom-pokontany  ao Begavo 2 Ambanja ka tratry ny tsy fahasalamana tampoka, nitarika ny fahafatesany. Heverina ho fahatapahan’ny lalandra no nahazo azy ireo tamin’ny ankapobeny. Fehiny, tena mampitsanga-mitoetra sy mampitaintaina ny CAN handraisantsika anjara, ka mila homanina sy tezaina ny fo sy ny saina mba ho vonona hisedra izay voka-dalao ho avy eo na hiabo na hiiba satria mbola hiatrika ny dingana ampahahefa-dàlana isika. Miombona alahelo tanteraka amin’ny fianakavian’ireo namoy ny ainy isika, ary maniry mba ho lasan’izay ny ratsy rehetra ary hitohy ny fahombiazan’ny Barean’i Madagasikara.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT