Sport

Fihaonan’ny FTAT sy Mata Dorea Fanambin’ny Hafari Malagasy ny tsy hisiana totohondry


  • Zoma 18 Novambra 2022

Tratra ny tanjona sy fanamby, hoy ny filohan’ny Hafari Malagasy, Jean Nirina Rafanomezantsoa, fa dia vita soamantsara ankehitriny ny Kianja surprise ety Anosizato atsinanana.

Manana lavany 172 metatra ary sakany 60 metatra eo, hoy izy. Isaoran’Andriamanitra nanome fanomezam-pahasoavana satria tsy mora no nanao an’io. Io kianjan’Anosizato, hoy aho, no nampidirana am-ponja ahy ary alaheloko mandra-pahafatiko ny nivarotana an’io. Tsy maintsy mbola handray ny valin’asany ireo tsy mataho-tody izay tsy mino ny fisian’ny tsiny sy tody na tsy nigadra tany am-ponja aza. Miantso manokana ny filoham-pirenena ankehitriny, Andry Rajoelina, satria ny foto-keviny ilay hoe fitiavana tsy misy takalony no nalainay. Herim-po no natosakay tao ary tombanana hatrany amin’ny 17 miliara Ariary any ny vidin’io kianja io. Fantatray tsinona ny fahasimban’ny tanora amin’ny resaka fanendahana, fivarotan-tena, ny fangaronam-paosy noho ny fahasimban’ny kianja teo. Nitombo ny faty olona satria na ny kianja hilalaovana sy hampiray aza tsy nisy intsony teo. Izany fihaonan’ny FTAT sy Mata Dorea izany hatramin’izay lalao rugby miafara amin’ny totohondry foana teto amin’ny kaominin’Antananarivo fa fanambinay izy amin’ity hoe ho atao lalao voalohany mihitsy izany hifehezanay mpijery satria fampihavanana no anton’ny fanatanjahantena. Hanomboka ny alahady izao amin’ny alalana lalao rugby maro moa ny fanokafana ity kianja ity ka anisan’izany ilay lalao voalaza teo, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT