Sport

Fihaonan’ny Barea U23 sy Seychelles Hanomboka rahampitso ny fivarotana tapakila


  • Alarobia 07 Septambra 2022

Anjaran'ireo Barea zandriny latsaky ny 23 taona indray no hiditra an-tsehatra sy hirariana hanaraka ny lalan'ireo zokiny tafakatra ho any amin'ny CHAN 2023 any Alzeria.

Eny amin'ny Kianja Barea Mahamasina moa ny lalao mandroso ny tolakandron’ny sabotsy 24 septambra amin'ny 2ora izay hihaonan’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barea U23 amin’ny ekipam-pirenen’I Seychelles eo amin’ny fiadiana ny tapakilan’ny CAN 2023 any Maraoka ho an’ity sokajin-taona ity hatrany. Lalao miverina kosa ny talata 27 septambra amin'ny 1ora tolakandro izay eo Mahamasina ihany koa satria tsy manana kianja manaraka ny fenitry ny CAF i Seychelles. Fiandohan'ny fivarotana ny tapakila rahampitso 8 septambra, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT