Sport

Fihaonan’ny Barea sy Tanzania Hirariana ny hisian’ny fahagagana


  • Alatsinainy 06 Septambra 2021

Tontosa ihany moa iny ny voalaza hoe “fitokanana” ny Kianja Barea Mahamasina ny sabotsy teo. Tsy hitarina be ny resaka fa samy mahalala ny dikan’izany atao hoe fitokanana

izany ny fomba atao amin’izany rehefa Malagasy na dia fahalalana ankapobeny ihany aza. Maro ireo velom-panontaniana hoe ny efa avy nampiasaina ve mbola natao ho tokanana? Toy ny adihevitra niseho tamin’ny fametrahana ny “colisée” tao anaty rova ihany saingy rehefa ny “henjana”, araka ny famaritan’ny tanora azy moa no manapa-kevitra dia tsy hisy hihaino anao eo na mpahaivakoka ianao na mpahaifomba na mpahaigolantany na mpahaitantara sy mety ho mpahalala izany rehetra. Firifiry ny olom-pirenena, tekinisianina amin’ny fanatanjahantena, mpanao gazety niresaka ny vokatry ny tsy fanajana ny atao hoe “mise au vert” tao anatin’izay tantaran’ny fanatanjahantena teto amin’izao tontolo izao izay saingy ireny mbola notazonina hanohy ny revy ireny ihany moa omaly ireo tokony hamonjy izany any Tanzania any. Mety jery miabo azo raisina ihany angamba ny hoe fisiana lalao nitsapana tanaty fotoana fohy ireo mpilalao maromaro tao amin’ny ekipam-pirenena Malagasy izay mbola hanohy ny lalao fifanintsanana ho fiadiana ny tapakilan’ny tompondaka eran-tany ato amin’ny sokajy J izay hihaonantsika amin’ny ekipam-pirenen’I Tanzania ny talata izao. Zara raha manana 2 andro hanomanana ity lalao faharoa ity isika. Mbola any an-tanin’olona koa amin’io no hanaovana ny baolina. Ny harerahana vokatry ny sidina eo. Mbola mampametra-panontaniana koa etsy ankilan’izay ity hahamehana ara-pahasalamana natsahatra eto amin’ny firenena ity ka nahafahana namory olona marobe tao amin’ny kianjaben’I Mahamasina tao. Ahiana mety ho fenitra azon’ny mpifanandrina ilana vaniny amintsika avokoa izany rehetra izany. Ny ahiahy tsy hihavanana saingy enga anie mba ho tanteraka amin’ity ilay fitenenana hoe ny hamisavisana ny ratsy hihavian’ny soa ary dia hirariana ny mba hisian’ny fahagagana ka hahatafavoaka ho mpandresy ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra any an-tanin’olona any. Alefa Barea !
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT