Sport

Fihaonan’i Madagasikara sy Cote d’Ivoire Nitsidika ny kianjan’i Barikadimy ny CAF


  • Alakamisy 05 Martsa 2020

Araka ny fantatra dia tonga nitsidika ny kianjan’i Barikadimy, ao Toamasina omaly, ny delegasionina eo anivon’ny kaonfederasionina afrikanin’ny baolina kitra na CAF.

 

 

Ity kianja ity hatreto, raha tsy misy ny fiovana, no voafaritra hanaovana ny fihaonan’ny Barean’i Madagasikara sy ny elefantan’i Cote d’Ivoire hahazoana ny tapakila eo amin’ny fiadiana izay ho tompondakan’i  Afrika eo amin’ny taranja baolina kitra hatao amin’ny taona ho avy. Fitsirihana na « homologation » moa ity natao ity, raha ny vaovao voaray mba hijerena ny fenitry ny toerana. Nisy koa iny omaly iny ny fanadiovana ny ivelan’ny kianja, izay raha ny fanazavana, dia ao anatin’ny dingana tsy maintsy arahana mialoha ny hanekena ny kianja avokoa izany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT