Sport

Fihaonan’i Madagasikara sy Bénin Misavoritaka ambony ambany ny fandaminana


  • Alatsinainy 30 Aogositra 2021

Mba tsy hilazana intsony hoe ratsy ny fanomanana ny fihaonan’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra amin’ny “Ecureuil”

 beninoa ny alakamisy 2 septambra izao eo amin’ny fifanintsanan’ny amboara eran-tany 2022 atao any Qatar dia andeha atao hoe tsy ampy angamba no ilazana azy. Tsy nahazo lalao ara-pirahalahiana na lalao fitsapana nifanandrinana tamina ekipam-pirenena hafa mihitsy moa ny Barea na tamin’ny fampivondronana voalohany natao tamin’ny volana jona ary ankehitriny moa efa iaraha-mahita fa tsy hitombona intsony ny ahazoana izany satria na ny andro voalohany hiadiana amin’ny tapakila hankanesana any Qatar aza efa ho tontosaina etsy amin’ny kianja Barea Mahamasina ny alakamisy izao raha tsy misy ny sampona. Iriana fatratra rahateo ny tsy hisian’izay sampona izay satria hita ho misavoritaka ambony ambany aloha izay fandaminana ny fihaonana eo amin’I Benim sy ny Barea teo raha ny hita nanomboka ny zoma teo izay namoahan’ny avy eo anivon’ny Kaofederasionina afrikanin’ny baolina kitra fanambarana fa tsy natao hatrehina mpijery ny lalao etsy Mahamasina amin’ny alakamisy. Namoaka setrin’izany avy eo ny fanambarana izay tsy misy sonia nivoaka tao amin’ny pejy ofisialin’ny minisiteran’ny tanora sy fanatanjahantena izay nanasa ny vahoaka Malagasy tsy hirohirohy saina amin’izany fa haka ny anjara tapakilany ihany nanomboka ny marainan’ny sabotsy teo tamin’ny 8 ora. Nalana tao amin’ity pejy ity moa fotoana fohy taorian’izay io fanambarana io. Ny alakamisy teo no efa nisy anefa ny fampitam-baovao ofisialy tamin’ireo haino aman-jerim-panjakana fa miisa 12.000 ireo tapakila ho zaraina maimaipoana ahafahana miatrika ny lanonana fitokanana ny kianja Barea sy hijerena ny lalao ny alin’ny alakamisy izao amin’ny 7 ora ary mbola misy fanasana manokana ho ana olona miisa 8000 aza fanampin’io. Heverina kosa angamba fa tsy ireo mpankafy baolina kitra tonga marobe nilahatra teny Mahamasina nanomboka ny sabotsy teo no diso fa ireo tompon’andraikitra tsy nahay nandrindra ny asany. Azo antoka fa efa hitokana kianja sy hijery baolina no masaka ao an-dohan'ireny olona ireny ary tsy azo resahana zavatra hafa intsony. Andrasana izay vahaolana matotra aroson'ny manam-pahaizana satria ankehitriny izany, 3 andro mialohan’ny higadonan’ny fotoana dia mbola mipetraka ny fanontaniana hoe afaka hidirana olona miisa 20.000 ihany ve ireo toerana voatokana ho an’olona miisa 40.000 mahery ao anaty Kianja Barea amin’io fotoana io sa olona miisa 1500 sa ahoana ihany no hiafarany ? Misavoritaka ambony ambany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT