Pascal Razakanantenaina na Pascal Razak, fantatry ny rehetra amin’ny hoe
Bapasy izay vodilaharana milalao ao amin’ny ASSP, La Réunion, sy Ibrahim Amada, irakiraka mpiaro eo afovoan’ny kianja, milalao ao amin’ny Al Khor Qatar izao dia efa tany amin’ny volana septambra tany ho any no efa tsy tompon-toerana ao amin’ny klioban’izy ireo intsony. Nisy ny loharanom-baovao izay nilaza nialohan’ny fihaonana teo amin’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra sy ivorianina ny volana novambra teo fa efa nanapitra ny fifanarahany tamin’io klioba divizionina voalohany Qatari io ity Barea voalaza farany teo ity ary antony nanahirana ny namoahana azy ny seranana tao an-toerana farany teo izany manoloana ny fahamehana ara-pahasalamana any an-toerana. Dimitry Caloin, izay irakiraka mpiaro toa azy koa moa dia efa nanomboka ny 15 janoary 2020 teo no tsy nanana klioba hilalaovana intsony raha toa ka nilalao tao amin’ny FC Villefranche, Frantsa, nialoha an’izay. 30 taona ny lehilahy ary mirefy 1,93 metatra saingy na ny fifanarahana tokony nataony tamina klioba sinoa iray farany teo aza voatery najanona noho ity valanaretina Coronavirus ity hatrany. Raha iverenana vetivety kosa ny momba an’I Bapasy dia ny 1 jolay 2018 teo no nanombohany nilalao tao amin’ny Association sportive Saint Pierroise saingy tsy voafaritra mazava hatreto na hitohy koa izany na tsia. Isan’ny mbola ifantohan’ny sain’ireo mpanara-baovao, indrindra, ny mpitia baolina kitra ihany koa ny momba ny mpiandry tsatokazo voalohan’ny ekipam-pirenena Malagasy, Adrien Melvin, izay efa lasa mpiandry tsatokazo fahatelo ao amin’ny FC Martigues, Frantsa, kosa ankehitriny noho ny fanapahan-kevitry ny mpanazatrany. Raha ny heno dia isan’ireo miandry fifindrana klioba vaovao ireo Barea voalaza rehetra teo ireo saingy mbola tra-pahasahiranana, mazava ho azy, noho ny fisian’ity valanaretina ity izay inoana ihany koa fa hampiova ny tetiandro fahafaha-mividy mpilalao.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.