Sport

Fifindran-dRakool any Alzeria Mitentina 232 tapitrisa Ar ny fifanarahana


  • Alarobia 01 Febroary 2023

Vaovao ara-panatanjahantena isan’ny mbola misongadina hatrany ny fifindran-dRazafindranaivo Kolona na Rakool any amin’ny Klioba Alzerianina Mouloudia Club d’Alger.

Nilaza ofisialy ny Filohan’ny CFFA Andoharanofotsy Kliobany teto an-tanindrazana Atoa Rakotoarimanana Henintsoa na Tôta fa 50 000 euros na 231 950 000Ar na 232 tapitrisa Ar eo ny sandan’ny fifindrany, raha avadika vola Malagasy. Fifindrana mpilalao avy amin’ny Klioba Malagasy makany ivelany, izay voasokajy ho isan’ny lafo indrindra. Vola izay mirotsaka mivantana amin'ny kaontin’ny CCFA izay iandraketan’ny Kaominina Andoharanofotsy amin’ny maha Klioba ny kaominina azy, ary voalaza fa hisy ny haompana amin’ny fampandrosoana ny tanàna. Tsy nolazaina voalaza ary anatin’ny tsiambaratelo kosa ny karama ho karaman-dRakool, ankoatra ireo tombotsoa manokana toy ny fahazoana fiara rehefa tonga any, ny fahafahany mitondra ny vadiny mankany Alzeria. Raha ny tombatombana kosa dia mety handray 25 ka hatramin’ny 35 tapitrisa Ar ny tenany satria manodidina an’ireo ny karaman’ireo mpilalaon’ny MCA izay marihina fa isan’ireo klioba tsara indrindra aty Afrika satria vao tsy ela no nibata ny Ligue des champions Afrikanina. Misy ny milaza fa, tsy tokony ho nihazakazaka nanao fifanarahana fa miandrandra fifanarahana any Eoropa, tao ihany koa no naneho fa mety ambadika raha raha samy tafiakatra famaranana ny Barea sy ny Alzerianina. Marihina anefa fa tapitra omaly 31 janoary 2023 ny “Mercato hivernal” ahafahana mividy mpilalao sy manao fifanarahana eo amin’ny sehatry ny kitra maneran-tany, ka raha tsy vita nialohan’io daty io, dia naman’ny tsy tanteraka ny fividianana sy ny fifindran-dRakool. Ireo klioba Afrikanina ihany koa amin’ny ankampobeny no mitily mpilalao amin’ny CHAN, ary any amin’ny CAN kosa vao tena mitily ny Eoropeanina. Matetika làlana mizotra makany any Eoropa ny klioba ny filalaovana amin’ny klioba efa matihanina sy matanjaka aty Afrika, ary an-kavitsiana ny tonga dia mahavita dingan-dava.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT