Sport

Fifidianana ho filohan’ny FMF vaovao Ny tsara toerana amin’ireo akaiky an’i Ahmad


  • Alatsinainy 23 Oktobra 2017

Efa mandeha sahady ny tombantombana samihafa ho an’izay olona tena hisolo tanteraka ny toeran’i Ahmad taorian’ny datin’ny sabotsy 14 oktobra teo nivoahan’ny daty hanatanterahana an’ireo fifidianana amin’ny fitantanana ireo rafitra hitantana ny baolina kitra Malagasy.

Be ireo izay efa nandefa feo tetsy sy teroa fa hilatsaka handray anjara amin’io fifidianana ho filohan’ny FMF amin’ny 10 martsa 2018 io. Maro koa anefa no mieritreritra fa ireo olona tena akaiky an’ny filoha teo aloha izay lasa filohan’ny CAF no manana herijika kokoa handrombaka ny toerana. Eo izany ny filoha vonjimaikan’ny FMF am-perinasa, Doda Andriamiasasoa, eo koa ny SG-n’ny FMF, Rakotomalala Stanislas ary eo farany ny filoha lefitry ny FMF, Arizaka Rabekoto Raoul. Ity farany anefa no heverin’ny maro fa mety hitondra fiovana betsaka eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra Malagasy noho ny zava-bitany nivaingana tsy ela akory teo amin’ny fananganana fotodrafitrasa tsy miankina ilain’ny kitra ankehitriny miampy ny traikefa efa nentiny teo anivon’ny FMF ary manginy fotsiny ny fahitana ny tena fankamamiany an’ity taranja ity. Ho hita eo ny tohiny.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT