Sport

Fifidianana FMF Mahalala zavatra i Stan Rakotomalala


  • Alakamisy 22 Febroary 2018

Tsy takona afenina ny olana eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra Malagasy momba ny resaka fifidianana, izay nahitana savorovoro maro teny anivon’ny seksiona.Nisy avy eo ilay taratasy avy any amin’ny FIFA nandroso hevitra ny hampiatoana ny zotram-pifidianana rehetra aloha ka hanatanterahana fanadihadiana, mba hamantarana ny tena fototry ny olana sy hikaroham-bahaolana.

 

Anisan’ny nahazo fanakianana ny Commission Electorale Nationale (CEN) na ilay vaomiera mpikarakara ny fifidianana. Efa nilaza ny heviny momba an’io Atoa Ahmad, filohan’ny CAF ary efa filohan’ny Federasiona Malagasin’ny Baolina kitra (FMF); tsy ara-dalàna io CEN io aminy raha fintinina ny resany. Eo no manjavozavo ny resaka satria nilaza i Doda Andriamiasasoa izay filoha mitantana ny FMF amin’izao fotoana fa i Ahmad no nametraka an’io vaomieram-pifidianana na CEN io. Nanamafy i Doda A fa nanao karazana arofanina fotsiny sisa izy fa Atoa Ahmad no tena nametraka ny CEN .Iza no milaza ny marina ? Andrasana ihany koa izay mety ho ambaran’Atoa Stan Rakotomalala sekretera jeneralin’ny FMF teo aloha, izy izay efa lasa solontenan’ny CAF eto Madagasikara ankehitriny satria izy no mahafantatra tsara ny fizotry ny raharaha rehetra ary tokony ho elanelam-panahy amin’izao raharaha izao.Anisan’ny olana mantsy ny maha kandida filohan’ny FMF an’Atoa Doda Andriamiasasoa, hoy ny mpanaraka ny baolina kitra satria tsy mety mihitsy raha sady mpitsara izy no mpilalao. Inoana fa hahafantarana ny tena marina momba ity resaka CEN ity ny fanambarana mety hataon’Atoa Stan Rakotomalala, izay tena andrasan’ny maro tokoa. Tsara ho fantatra fa mpiara-miasa akaiky tamin’i Ahmad fony izy filohan’ny federasiona,  i Stan R ka izay no mety nahatonga an’i Doda Andriamiasasoa nanilika any amin’izy mirahalahy ireo ny fametrahana ny CEN.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT