Sport

Fifidianana Fiohan’ny FMF Malagasy Hametrahan-dRtoa Atallah Beatrice ny dian-tanany indray


  • Alatsinainy 26 Novambra 2018


 

 

 

 

Notendren’ny iraka manokan’ny FIFA, Véron Mosengo-Omba sy Sarah Solémalé tamin’ny zoma 23 novambra teo teny amin’ny Tranon’ny Baolina kitra Malagasy eny Isoraka ireo mpikambana ao amin’ny « Comité de normalisation » hitantana ny vonjimaika ny baolina kitra Malagasy hisolo ny Komitympanatanteraky ny FMF ka hanomana sy hitantana ihany koa ny fifidianana eo anivon’izany FMF izany ary hanomana ny hiatrehan’ny Barea ny CAN 2019 ihany koa. Voalaza tamin’izany ary fa  Rtoa Atallah Beatrice mpahay lalàna Malagasy no filoha hitantana an’ity Comité de normalisation ny baolina kitra Malagasy ity, I José Andrianaivo  no filoha lefitra ary Sahondra Rabenarivo sy Benony Jacues  no mpikambana.. Tamin’ny resaka heno avy eny Isoraka dia tsy nampoizin-dRtoa Atallah Beatrice izao fanendrena azy izao fa dia ny firesahana nivantana tamin’ireto solontenan’ny FIFA ireto no nahafantarany an’izany. Rehefa nametraka ny dian-tanany tamin’ny fifidianana ho filoham-pirenena Malagasy tamin’ny taona 2013 tamin’ny naha filohan’ny CENI azy ity Rtoa Atallah Beatrice ity izay isika rehetra ihany no hamaly an’eritreritra ny vokatra azo tamin’izany  dia indro izy fa hametraka tantara indray koa eo amin’ny fifidianana izay ho filohan’ny Federasion’ny Baolina kitra Malagasy.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT