Sport

Fifidianana filohan’ny Ligy Gidragidra ny tany Fianarantsoa


  • Sabotsy 16 Desambra 2017

Natao omaly nanerana ny nosy ireo fifidianana ny ho filoha hitantana ny ligim-paritry ny baolina kitra eto Madagasikara. Fantatra fa 4 amin’ireo faritra 19 nanatanterahana ny fifidianana no nahazo filohan’ny ligy vaovao.

  Filoha 12 teo aloha no niverina amin’ny toerany ary Faritra 3 no tsy nahatanteraka dia tany Matsiatra Ambony noho ny fisian’ny savorovoro tany an-toerana. Seksiona 5 no nandà ny hanatanterahana ny fifidianana noho ny ambaran’izy ireo fa fanilihana kandida tsy ara-drariny sy ny fisiana zavatra tsy mazava. Tsy tanteraka koa ny fifidianana tany Vatovavy Fitovinany sy tany Bongolava noho ny tsy naneken’ireo mpifidy nandatsa-bato tany amin’ireo toerana ireo. Teto Analamanga dia tafaverina amin’ny toerany ny filohan’ny ligy Atoa Rakotoarimanana Tôta Henintsoa sy ireo mpiara-miasa aminy miisa 8 teo aloha. Vato 6 tamin’ny 6 nandatsa-bato no nahalany azy. Nambarany taorian’ny fahalaniany fa ny hanondrotra ny baolina kitra eto Analamanga sy hanohy ny asa efa natomboka amin’ny fikarakarana an’ireo taninketsan’ny baolina kitra no tanjona ho tratrarin’izy ireo. Marihana fa ny filohan’ny “Comité electoral eto Analamanga”, Atoa Rajaobelina Thomas notronin’ny namany sy ny filohan’ny Dirjs Analamanga no nitarika ny fifidianana ligy teto Analamanga, tetsy Anosy.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT