Sport

Fifidianana filohan’ny ligin’ny rugby - Analamanga 3 ireo kandida ofisialy navoakan’ny CER


  • Alatsinainy 15 Janoary 2018

Navoakan’ny CER na Commission Electorale Régionale eo amin’ny sehatry ny rugby eto Analamanga teny amin’ny kianja Makis omaly alahady 2018 ny anaran’ireo kandida ofisialy hifaninan-kofidiana ho filoha vaovao hitantana ny ligin’ny rugby eto Analamanga taorian’ny fitsipaham-pitokisana nataon’ireo seksion’ny rugby 3 misy ao anatin’izany ligy izany tamin’ny faramparan’ny taona 2017 iny.

  Nambaran’Atoa Andry Rakoto fa Atoa Razafimbelo Norbert Arnès (Afa Ankazomanga) no nanatitra ny antontan-taratasy voalohany tamin’ny fiandohan’ny herinandro teo ary tamin’ny sabotsy teo kosa (andro farany fanaterana izany) Atoa isany Randrianarisoa Solofoniaina Rija sy Heriso Philippe Olivier no samy nanatitra ny azy avy. Tafaresaka fohy tamin’ny mpanao gazety tamin’izany Atoa Solofoniaina Rija izay mpitantana ny Comité Technique Fédérale  Analamanga rugby am-perinasa fa mbola be no tokony ho tohizana amin’ny ezaka efa natao ka izany no namporisika azy hirotsaka ho kandida ho filohan’ny ligy izay hosokafako amin’ny fiaraha-miasa tanteraka amin’ny ankolafy rehetra. Hiezaka ihany koa ny tenako rehefa lany eo hamerina ny rehetra hanara-drafitra. Farany dia hapetraka isaky ny kianja filalaovana ny “arbitrage video” mba hialana amin’ny fimenomenomana amin’ny fitsarana lalao rugby lava izao eto Analamanga.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT