Sport

Fifidianana filohan’ny ligin’ny Analamanga Endrika fanapotehana ny rugby, hoy i Andry La Pie


  • Zoma 19 Janoary 2018

Mitohy ny disadisa misy eo amin’ny tontolon’ny taranja rugby Malagasy ankehitriny izay miainga eo amin’ny fifandraisana tsy mety milamina eo anivon’ny mpitantana ny Malagasy Rugby an-daniny sy ny mpitantana ny Analamanga Rugby an-kilany.

 

Nampanao fivoriambe sarintsariny an’ireo seksiona 3 (Avaradrano-Atsimondrano-Andrefan’Iarivo) izay tsy natrehan’ny filohan’Analamanaga Rugby ny Malagasy Rugby tamin’ny 24 novambra 2017 ary nanapa-kevitra fa hanatanteraka fifidianana filohana Ligin’ny rugby eto Analamanga vaovao amin’ny sabotsy  hanoloana an’Atoa Ravelojaona Andry La Pie filoha am-perinasa. Nanambara tamin’ny fitafana tamin’ny mpanao gazety teny an-tranony omaly alakamisy 18 janoary Ravelojaona Andry La Pie fa tsy hanankery velively izay fifidianana kasaina hotontosaina ny 31 janoary ho avy izao  satria tsy ankatoavin’ny minisitera mpiahy ny fanatanjahantena Malagasy. Hamafisiko etoana, hoy izy, ny teny nataoko teny amin’ny kianja  Malacam tamin’ny alahady 17 desambra 2017 lasa teo, izay nilazako fa tsy hiala amin’ny maha filohan’ny ligin’ny rugby eto Analamanga nahavoafidy ahy ara-dalàna aho. Endriky ny fanakorontanana izay fifidianana kasaina hatao ka tsy ekeko intsony ny fanapotehana ity tontolo ity ka aoka ny lalàna no hifanazava amin’ireo izay hanao izany. Handray andraikitra amin’ireo seksiona eo ambany fiadidiany izay tsy nahavita tatitry ny taom-piasana 2017 izahay ligy, hoy Andry La Pie. Marihako fa naharay taratasy avy amin’ireo seksiona 3 voalaza ireo aho tamin’ny 9 janoary 2018 lasa teo ka ny fangatahana fivoriambe hifandaminana ho fampandrosoana ny rugby eto Analamanga no ho votoatiny nefa ny 11 janoary indray aho dia naharay taratasy hafa avy amin-dry zareo nanafoana an’io fangatahana io.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT