Sport

Fifidianana filohan’ny FMF vaovao Nokianin’ny minisitra ny ekipan’i Atallah Beatrice


  • Alarobia 10 Aprily 2019

“Raha ny resaka fifidianana izay ho filohan’ny FMF “Federasion’ny Baolina Kitra Malagasy”

 

 

 

vaovao tokony hotanterahina alohan’ny 12 mey 2019 ho avy izao araka ny didy navoakan’ny FIFA, hoy ny minisitry ny fanatanjahantena Malagasy Tinoka Roberto tetsy amin’ny ANS Ampefiloha omaly, dia tsy te hiditra “polémique” amin’io resaka io aho fa ny anjaran’ny minisitera tantanako amin’io dia manara-maso fotsiny sy mampahatsiahy ny didy navoakan’ny FIFA ary nalefany taty aminay. Mba manaitra ny sain’ny “Comité de normalisation FMF” izay tarihan-dRamatoa Atallah Betrice ihany anefa aho, hoy izy, fa raha olana  ligim-paritra iray ve no tsy vita dia hiandrasana volana septambra vao hotanterahina ilay fifidianana ? Mila mandeha amin’ny hafangainam-pandeha mihoatra ny TGV araka ny nolazain’ny filoha Rajoelina isika, hoy izy, mba hampandrosoana an’ity taranja ity. Miandry ny valin-tenin’ny Fifa anefa isika na hanaiky ny fanalavam-potoam-piasan’ny “Comité de normalisation FMF” izy na tsia.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT