Tsy tontosa ny fifidianana filohan’ny FMF “Federasion’ny Baolina Kitra Malagasy” saika notontosaina ny sabotsy 3 novambra teo tany Sambava Faritra SAVA noho ny tsy fahatrarana ny fetrisa 2/3-n’ny mpifidy tokony hanatanteraka izany.
14 ihany mantsy ireo ligy tonga hanatanteraka izany tany amin’ity toerana ity raha 15 io fetrisa tokony hotratrarina io. Nampanantenaina ny mbola hanatanterahana ny fifidianana ny tolakandro ireo ligy ireo nefa dia tsy nisy hatramin’ny farany io fifidianana io fa hoe haverina afaka 48 ora. Araka ny lalàna misy dia anio alatsinainy 6 novambra izany. Tsy mbola fantatra hatramin’izao izay toerana hanatanterahana ity famerenana fifidianana ity fa ireo filohana ligy 14 dia efa eto Antananarivo avokoa ankehitriny ary efa nanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety teny amin’ny Centrale Hotel omaly alahady 4 novambra tolakandro ka nanambara ny tsy naharaisan-dry zareo ny fanondroana ny toerana hifidianana fa ny ora amin’ny 10 ora maraina fotsiny no efa fantatra. Nanambara koa izy ireo fa manameloka tanteraka ny nisamborana ny filohan’ny ligin’Analamanga izy tokony ho nanatrika ny fifidianana tany Sambava sy ny saika hisamborana koa ny ligim-paritry ny baolina kitra 4 hafa tany amin’ity toerana ity. Marihina fa izy ireo dia samy mbola hanatanteraka ny adidy fifidianana izay ho filoham-pirenena Malagasy hatao ny 7 novambra 2018 izao any amin’ny misy azy avy. . Heno indray anefa tamin’ny fivoriana alina nataon’izy ireo fa tsy afaka hanatanteraka an’io fifidianana io indray ny Federasiona am-perinasa.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.