Sport

Fifidianana filohan’ny FMF Mitambara sy mifanampia ianareo, hoy i Tôta


  • Talata 27 Febroary 2018

Somary nampitsamboatra ny maro ihany ny nanambaran’ny filohan’ny ligin’ny baolina kitra eto Analamanga teo imasom-bahoaka tetsy Mahamasina tamin’ny sabotsy 17 febroary lasa teo.

Nanapa-kevitra ny ligin’Analamanga tarihanay fa hanohana ny kandidà Hery Rasoamaromaka sy ny kandidà Doda Andriamiasasoa ary ny kandidà Alfred Andriamanampisoa izay efa samy nilaza fa ho anisan’ireo kandidà hirotsaka ho filohan’ny FMF amin’ity taona 2018 ary samy tonga nanatrika ny fanokafana ofisialy ny taom-pilalaovana 2018 ho an’ity ligy ity tamin’io andro io,hoy izy. Notohizany anefa ny teniny ka nanambara hoe : “mitambara ianareo ary miraisa hina ho fampandrosoana ny baolina kitra Malagasy”. Samy nanana ny heviny mikasika an’io voalazan’i Tôta io izy telo mirahalahy.

Doda Andriamiasasoa :

“Manao politika ny filohan’ny ligy ka misababaka eo. Tsy mbola fantatra ny  daty marina hanaovana ny fifidianana ka tsy mbola hita izay hambara”.

 

Doda Andridamiasasoa filoha am-perinasan’ny FMF

 

Alfred Andriamanampisoa :

“Angamba tsy holavina izany rehefa mitovy ny fomba fijery amin’ny hampandrosoana ny baolina kitra Malagasy”.

 

Alfred Andriamanampisoa filohan’ny Elgeco Plus

 

Rasoamaromaka Hery na Hery Be :

“Efa mazava ny resaka amin’izany fifidianana izany”.

 

Rasoamaromaka Hery Be filoha mpanorina ny Tanà Formation sy Boeny Formation

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT