Sport

Fifidianana filohan’ny FMF Idiran’ny politika avo lenta ihany koa


  • Alarobia 14 Aogositra 2019

Olana tany aloha ny ahiahina tsindry bokotra sy kolikoly nandritra ny fifidianana ireo filohana ligin’ny baolina kitra sasany, izay hifidy ny filohan’ny Federasionin’ny baolina kitra Malagasy.

 Noho izany, napetraka ny rafitra hanitsy ny mety diso sy handrindra ny zotram-pifidianana rehetra ka teraka teo ny « comité de normalisation » tarihan-dramatoa Atallah Beatrice, ary niasa tokoa izy io. Nizotra am-pilaminana ny zava-drehetra, ka iny niaraha-nahita iny ny vokatra tsara azon’ny Barea nandritra ny CAN 2019. Ankehitriny anefa manoloana ny fifidianana izay ho filohan’ny Federasionina Malagasy amin’ny Baolina kitra na ny FMF dia re fa misy zavatra hafahafa: misy karazana tsindry avo lenta avy amina fikambanana kaontinantaly te hampandany kandida iray. Io kandida io izay efa hitam-poko, hitam-pirenena fa tafaroboka anaty politika. Zavatra tsy eken’ny FIFA anefa izany ho an’ireo rehetra kandida ho filohana federasionina. Efa mba nitraka sy nisongadina ny baolina kitra Malagasy teo, dia sanatria ve hovonoina indray ? Tena mitady ho tafiditry ny kajy maloto ny hikatsahana tombontsoa mihoapampana fa tsy mikendry ny fampandrosoana io sehatra io ny tontolon’ny baolina kitra, ka mila mailo sy tena mijery lavitra ireo filohana ligy manana ny fahefana amin’ny fifidianana izay ho filohan’ny FMF. Irariana mba tsy hatao sorona sy hitadiavana tombontsoa mihoapampana  ny FMF ka hamotika ny kitra Malagasy ny fametrahana olona niainga avy amin’ny kajy politika mamohehatra.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT