Sport

Fifidianana filohan’ny FMF Hotanterahina amin’ny 27 oktobra 2018


  • Talata 28 Aogositra 2018

Efa namolavola daty hanatanterahana ny fifidianana izay ho filoha vaovao hitantana ny FMF “Federasiona Malagasin’ny Baolina kitra”

 

sy ireo mpikambana ao amin’ny komity mpanatanteraka izany rafitra izany izahay ao amin’ny “Commission Electorale” vaovaon’ny FMF tarihako, hoy i Me Raherimanana Lala filohany omaly tetsy amin’ny Trano Bongo Tanjombato,  ka ny 27 oktobra 2018 izao no hanatanterahana an’ireo fifidianana ireo. Amin’ny 4 septambra 2018 no fanombohan’ny fametrahana antontan-taratasy filatsahan-kofidiana amin’izany ary iray volana mialoha ny fifidianana dia tokony ho fantatry ny “Commission Electorale” ny anaran’izy ireo hananany 20 andro handinihana ny antontan-taratasy hamoahana ny lisitra ofisialin’ireo mahazo mandray anjara. Fepetra efatra no takiana amin’ireo maniry ho kandida amin’ity fifidianana ity dia olona feno 21 taona sy latsaky ny 70 taona amin’ity 2018 ity. Olona tsy maintsy hatolotry ny ligy telo ny kandida ho filohan’ny FMF ary hatolotry ny ligy roa kosa ireo kandida ho komity mpanatanteraka ; manome fandaharanasa miaraka amin’ny tetiandro mazava hanatanterahana azy ny kandida ; fanaporofoana fa olona efa niandraikitra fitantanana rafitra baolina ny kandida. Tsy hisy fiantraikany amin’ity fifidianana ity ny maha eo na tsia ny ligim-paritr’i Matsiatra Ambony sy Vatovavy Fitovinany ary Bongolava. Samy nahitana olana ny fifidianana ligy tany amin’ireo faritra ireo fa heverin’ny “Commission Electorale” fa tsy haverina intsony ny fifidianana tany Bongolava raha tsy maintsy hotanterahina amin’ny fomba rehetra amin’ny volana septambra 2018 kosa ny fifidianana any amin’iretsy ligy roa voalohany.

 

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT