Sport

Fifidianana filohan’ny FMF Any Sambava no fotoana amin’ny 3 novambra


  • Alarobia 31 Oktobra 2018

Fantatra ankehitriny fa any Sambava Faritra SAVA no hanatanterahana ny fifidianana ho filohan’ny FMF “Federasion’ny Baolina Kitra Malagasy” amin’ny sabotsy 3 novambra 2018 ho avy izao.

 

 

 Hatreto aloha dia samy nilaza ho mbola vonombonona hiatrika an’ity fifidianana ity avokoa ireo kandida 9 voalaza fa nanatitra ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana na dia mandeha aza ny resaka fa mety hisy kandida 3 nitambatra hanohana olona 1. Mazava amin’ny fifidianana FMF tahaka izao fa any amin’ireo ligim-paritra 22 izay ho tompo-marika amin’ny latsa-bato ny baolina araka ny fomba fitenenana. Marihina fa fiaramanidina manokana no nofain’ny FMF am-perinasa hitondra ireo mpikambana ao aminy sy ireo filohan’ny ligy 22 handatsa-bato. Mianto-tena kosa ireo kandida hiatrika an’ity fifidianana ity.

Ireo kandida 9 :

Doda Andriamiasasoa : filoha mpisolo toerana am-perinasan’ny FMF

Arizaka Rabekoto Raoul : filoha lefitry ny FMF

Neypatraiky Rakotomamonjy : filoha lefitry ny FMF

Briand Andrianirina : filohan’ny federasion’ny Kick Boxing taloha

Alfred Andriamanampisoa : filohan’ny klioba Elgeco Plus

Hery Rasoamaromaka : filohan’ny klioba Boeny Formation

Lova Ramisamanana : filohan’ny fikambanana Alefa Barea

Jacques Ramaroson : filohan’ny ligin’ny baolina kitra Analanjirofo

Bezamy Romeo : Mpilalao baolina kitra sady filohana klioba iray ao Toamasina

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT